Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Teny zato, kabary arivo

Mitabe tsy lanin’ny fahantrana

lundi 16 juin 2008 | Penjy R.

Misokatra ny varavarana ho an’ny olona tsara sitrapo rehetra. Ny finiavana hanao asa ho an’ny tanindrazana no tian’ny filoham-pirenena apetraka, ary tsy voatery ao anaty fitondrana vao afaka hiasa ho an’ny firenena. Teny efa fandre matetika io amin’ny antso nataon’ny filoha ankehitriny manoloana ny mpanohitra eto Madagasikara.

Hatramin’izao anefa dia mbola mihenjan-droa ny tady eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, na dia hita aza fa samy te-hametraka ny hambom-pony anjorom-bala fa ny fampandrosoana ho an’ny tanindrazana no hifantohan’ny saina.

Vita iny ny laha-dinika nataon’ny fanjakana tamin’ny mpandraharaha vahiny sy ireo mpamatsy vola mahazatra. Nirarakompana ny dolara amin’ny fangatahana nataon-dRavalo entina hanatanterahina ny MAP. Misokatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara, ary hita ho tena manga ny lanitra amin’ireo firenena vahiny ireo. Ny mampalahelo anefa, dia isika mianakavy indray no mifandripaka am-pitoerana eto.

Ny mpanohitra miantso fifampidinihana maika, ny mpitondra koa etsy ankilany manao antso amin’io fifanantonana io. Aiza no sakana tsy hahatafitan’ny fifanantonana ? Samy manana ny hevitra tsara avoakany ny andaniny sy ny ankilany, ary tsy azo lavina ihany koa fa misy ny hevitra ataingina izay tsy mahasoa. Nahoana no tsy atambatra ilay mitabe tsy lanin’ny fahantrana, raha tena ao amintsika mianakavy ny finiavana hanao zavatra. Tsy voatery ho fizarana seza, fa andraikitra no atao. Sa rehefa tsy mitovy firehana dia fahavalo ? Tsy hisy firenena tsy ho vanona raha miaina ao anatin’ny filaminana, izay no ilana ny hifanantonan’ny hery velona rehetra satria ny asa no maika fa tsy ny korontana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS