Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h02
 

Malagasy

Fanarenana ny lapan’ny tanàna

2 taona no hamitana azy, ary vola Ar 2,5 miliara no ilaina

jeudi 15 mai 2008 | Penjy R.

Ny sabotsy izao no hapetraka ny vato fototra hanarenana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Vola Ar 2,5 miliara no ho entina manangana izany, ary tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 2 taona. Vola avy amin’ny FAR sy avy amin’ny fitondram-panjakana no voalaza fa hanarenana ity lapa may ity. Ny fitondrana Alemana ihany koa dia hanampy betsaka amin’ny fampitaovana amin’ny fanarenana ny lapan’ny tanàna etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina no hametraka io vato fototra io, ary manomboka eo dia efa vavany avy hatrany ny orinasa hanatanteraka ny asa. Io sabotsy io no ahafantarana ireo mbola hanampy amin’ny fananganana ny trano. Tsy hisy fiovana amin’ny endriny teo aloha izany lapa izany, nefa maka maoderina kokoa, ary hisy toerana azo hialana voly tsara ny manodidina. Hiova endrika tanteraka ny renivohitra rehefa vita io, ary ho toerana lavitry ny
hetsika politika tanteraka iny faritra iny. Ny antony, dia ho voaravaka voninkazo maitso ny manodidina. Raha ny fahitana ity asa ho atao ity, dia hita fa hisy ny fiaraha-miasan’ny eo anivon’ny kaominina sy ny fanjakana. Diso tanteraka izay nampifangaro ny resaka politika amin’ny asa fampandrosoana.

Fa mbola resaka kaominina ihany, dia fantatra izao, fa mety ho tara ny fandoavana ny volan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina an-dRenivohitra amin’ity. Ny antony dia misy fahasimbany ireo milina mikirakira ny taratasy fandraisana vola, ary miandry ny fahavitan’io masinina io vao afaka mandoa ny volan’ny mpiasa ry zareo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS