Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 15h20
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Karakarao fa mivoraka

jeudi 14 août 2008 | Penjy R.

Vanim-potoana fialan-tsasatra izao. Maro ny mponina no mandeha any amin’ny faritra maro samy hafa eto Madagasikara. Toy izany koa ireo vahiny izay tonga eto. Isan’ny mampiditra vola vahiny betsaka ny tahaka izany.
Mety hampihemotra ny vahiny anefa ny fandrenesana ny fiparitahan’ny aretina maro samy hafa eto. Isan’io ny vokatry ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ny SIDA sy ny sifilisy izay heno tao ho ao fa mahazo vahana any amin’ny faritra. Manampy trotraka io ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Manakoako eran-tany ny zava-dratsy tahaka izany, ary koditra ny vahiny. Ireo mba tsara mampalaza ity nosy ity dia takon’ny ratsy tahaka izao. Manana andraikitra goavana amin’izany ny tsirairay. Raha ny zava-tsarobidy mampiavaka antsika no atao manakoako ho ren-tany aman-danitra, dia ho azo antoka fa hiroborobo ity sehatry ny fizahan-tany ity. Andraikitra miandry ny mpanao gazety io. Mila henjana ihany koa ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso ny vahiny. Tsapa fa ny famiraviran’izy ireny ny tanora Malagasy amin’ny tambiny mora no fototry ny aretina. Tonga ny vahiny hiala sasatra. Karakarao fa mivoraka ny fiarovana ny tontolo manodidina, mba tsy ho fahatsiarovana ratsy no hita, fa ny tsara no hifaninanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS