Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h40
 

Malagasy

Adala ao Anjanamasina

Namosavy dia lasa adala

lundi 11 août 2008 | Penjy R.

« Efa aty amin’ny toeran’ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin’ity toerana fitsaboana ny marary saina ity ». Fanambarana nataon’ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io.

« Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin’ny fasan’olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin’ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, ary miasa io vadiko io. Rehefa hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina aho dia tsy haiko intsony izay handraisan’izy ireo ahy ». Ny nahatsikaiky, dia notoloran’ny fikambanana Lions Club bodofotsy iray avy ireto marary ireto, ary saika tsy nandray izany ity vehivavy ity. « miasa ny vadiko, ary mahavidy aho. Raha fanampiana tany amin’ny filoha Ravalomanana io dia tiako », hoy izy.

Fa ankoatry izay, dia voalaza fa mandoa vola hatrany amin’ny 1000 ariary ka hatramin’ny 1600 ariary isan’andro ireto olona tsaboina ireto. Io no atao sakafo isan’andro. Iray volana no faharetan’ny fitsaboana, ary mitambatra anaty faritra iray ny lahy sy ny vavy. Izay ataony ao indray toa tsy olana satria mila izany ny vatan’olombelona. Ny marary vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina no tena betsaka tsaboina ao ary tsy vitsy ihany koa ny lasa adala nohon’ny tsy fahazakana ny onjam-piainana. 69 ireo marary tsaboina ao, hoy ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana dia ingahy Fedol izany. Mora ihany koa ny fanafody eny raha hampitahaina ny eny amin’ny fivarotam-panafody. Ampy hitsaboana ny marary saina tsara ny iray volana, hoy ireo mpitsabo eny, satria maro no efa sitrana tao anatin’izay ka nalefa nody.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS