Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h34
 

Teny zato, kabary arivo

Mazava ny resaka

vendredi 25 avril 2008 | Penjy R.

Teny gasy ve miverina indroa ? Eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra no tiana ahatongavana eto. Nanome fe-potoana farany indray izany ny FIFA hatramin’ny faran’ny volana izao ahaizan’ny Madagasikara mandinika tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny nandrava ny federasiona Malagasy ny baolina kitra.

Mazava ny resaka nataon’ny ministra tompon’andraikitra fa handamina ny raharaha anatiny isika, ary hametraka ireo delegasiona manokana hitantanana ny raharaha ary hampanao fifidianana vaovao izay handrafitra ny federasiona ity taranja ity. Tsy nisy tsy niaiky ny maro fa latsaka tao anatin’ny kizo ny baolina kitra malagasy, ary mihemotra lava eo amin’ny filaharana maneran-tany. Io no mila hatsaraina, ary nahoana no hitsabahan’ny FIFA ny fandaminana ataontsika raha handamina ny raharaha anatiny isika ? Hevitra maro nifamahofaho teny ambavan’ny maro ny momba io, ary maro no nankasitraka. Nisy ihany koa ireo te-hijery baolina fotsiny izao na dia hita fa ho lavo fakan’ny mpifanandrina isa fotsiny aza isika. Hisy hievitra ve fa hiverina amin’ny heviny ny fanjakana manoloana ny fepetra izay noraisiny ? Ho hita eo, fa raha ny malaza aloha, dia toa ny teny gasy hono tsy miverina indroa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS