Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 16h43
 

Malagasy

Orin’asa afaka haba

Misy mitady hampiasa ny datin’ny 1 mey

mardi 22 avril 2008 | Penjy R.

Kivy ratsy sahady ny mpiasa amin’ny orin’asa afaka haba eto andrenivohitra fa kasain’ny lehibeny hanenjika asa maika amin’ny voalohan’ny volana mey. Hisy tambin-karama omena izay mpiasa miasa araky ny vaovao niely teny Tanjombato. Maro tamin’ny mpiasa no tsy nanaiky izany, ary vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny mpampiasa azy. Tsy noterena kosa anefa ny mpiasa fa an-tsitrapo no hanaovany ny asa raha mazoto. Vanin’andro iray mba ahafahan’ny mpiasa mankalaza ny « Fetin’ny asa » eran-tany io, ary hifanakalozana hevitra momba ny zo tokony hanana’ny mpiasa, saingy misy sahady ny mitady hitsivalam-pandry. Ny CTM no hitarika ny filaharam-be, ary hatramin’ny ora hanoratanay, dia mbola tsy nivaly ny alàlana ahazoana manao io filaharana io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS