Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h03
 

Teny zato, kabary arivo

Atombohy ny asa

mardi 28 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy ho diso isika raha manomboka mifantoka any amin’ilay fivoriana atao eto mandritra ny roa taona ny resaka. Fivoriana izay hanokatra ny làlan’i Madagasikara eo amin’izao tontolo izao. Ny fomba amam-panaontsika no tena ahasarika na tsia ny vahiny.

Midika izany fa ny kolontsaina Malagasy no andeha omena lanja lehibe. Manana andraikitra goavana amin’io ny ministeran’ny Kolontsaina. Tsy tambo hisaina io kolontsaina mampiavaka antsika io, ary mila trandrahana dien’izao, mba tsy ho sanatria resaka tsy naha-taitra toy ny seho teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina toy ny tamin’ny lalaon’ny nosy farany teo no hiseho. Manana adidy goavana amin’io ny olo-be isam-paritra hitondra sy hampahafantara izany amin’ity fivoriana ho atao eto Madagasikara ity. Tsy ho voatery ho fantatry ny vahiny ao anatin’ny fotoana fohy izany, fa ny fametrahana izany ho horonantsary, ary amparitaka any amin’ireo firenena handray anjara amin’ny fivoriana eto no mety. Harena tsy hita pesipesenina ny antsika, ary hampiharahana amin’izany ny hankaton’ny zava-boahary sy ny harena misy eto. Iza no tsy hitsiriritra ireo raha mahita.

Atombohy ny asa, fa tsy vitan’ny fametrahana ny fotodrafitr’asa goavana ihany ny raharaha tahaka izao. Manana manam-pahaizana maro isika, ary midika izany, fa efa fandraisana antanana ny fianam-pirenena ny fizarana andraikitra dien’izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS