Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h01
 

Malagasy

Fahasalaman’i Ratsiraka

Salama tsara ny amiraly

samedi 27 septembre 2008 | Penjy R.

Tomady sady, salama ny amiraly. Io no valin’ny filazana tao ho ao, fa tsy salama ingahy Didier Ratsiraka. Mampamangy ny vahoaka Malagasy any hoy ny tenany, raha nampita hafatra ho an’ny malagasy izy. Ingahy Roland Ratsiraka no nampitondrany io hafatra io. Endrika fanagiazana ny tenany ny toy ireny hoy izy. Ninia nangina aho, raha vao nivoaka ny fonja, saingy toa manosika ahy hiteny ny tranga nahazo ahy farany teo. Miantso ny vadin’ny Filoha Ravalomanana ny lehilahy, mba hiroso amin’ny fampivondronana ny vehivavy vadin’ny mpitondra rehetra. Hametraka ny fampihavanam-pirenena haingana no tanjona amin’io, satria maro amin’ireo vehivavy ireo, no miahiahy ny mety ahazo azy ireo atsy ho atsy.

« Tsy te hahita toy ny nahazo ahy teo aloha intsony aho » hoy Roland Ratsiraka. Fony aho nigadra dia nohanin’ny voalavo, toy ny saka ny habeny.
« Sambany tamin’ny fiainako no nisy toy izany ».
« Tsy omen-tsiny aho minia mangina aloha ». Raha ny fisehon-javatra teto hatramin’izay, dia efa hafatra goavana ny tian’ny vahoaka eto an-drenivohitra hahatongavana. Ny fifidianana izay ho ben’ny tanana farany teo io, ka naharesy ny TIM. Raha te-hanova ny vahoaka, dia miova io na dia rahampitso ihany aza. Mety mbola hitondra mandritra ny 50 taona ihany koa anefa ity fitondrana ity. Ny vahoaka ihany ny tompon’ny teny farany hoy izy omaly. Ireo raha fintinina no nambaran’ingahy Roland Ratsiraka omaly tamin’ny mpanao gazety.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS