Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Antoko Fihavanantsika

Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika

jeudi 9 octobre 2008 | Penjy R.

Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason’ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. « Manahy ny mety ho avin’ny firenena malagasy izahay ato amin’ny antoko Fihavanantsika », hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin’ny birao politika.

Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin’ny toho-drano no atao. Mora kokoa io, ary afahana manangana barazy maro raha ampihaina amin’ny toby nokleary. Mampalahelo ankehitriny, fa zara raha misy 1% amin’ireo harena voatrandraka eto no miditra amin’ny vahoaka malagasy.
Namaly an’ingahy Tovonanahary Rabetsitonta ihany koa izy, izay milaza fa mihatsara ny toe-karena malagasy, satria niakatra 7,1% ny harinkarena faobe. Mifandraika amin’izany ve ny tena zava-misy hiainan’ny malagasy amin’izao vahoaka eto ? Tsara ny milaza fa ity antoko ity, dia ny Pasitera Daniel Rajakaoba no filohany, izay efa nilatsaka ho filoham-pirenena nandritra ny fifidianana in-droa nifanesy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS