Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Malagasy

Fanampiana ataon’i TIM

Misy mivarotra ireo fitaovana

lundi 22 septembre 2008 | Hery A., Penjy R.

Aleon’ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon’ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin’ny zanany no namadika izany ho vola teo amin’ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety.

Ny anton’io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana zavatra azo amidy izahay, ka ity no hany mba afaka avadika vola haingana. Nangasihasy teo ilay zaza nanantena ny hahazo fitaovana hianarany, satria namidin-dreniny ilay fanampiana kely mba azo. Tetsy Ambodivona sy Besarety moa no nanohizan’ny antoko TIM ity fizarana fitaovam-pianarana ity ny asabotsy teo.

Etsy andaniny dia hita amidy eny amoron-dalana eny ihany koa ireny kit scolaire natolotry ny fanjakana ireny. Maro amin’izy ireny no mbola tsara, ary maro koa ny fianakaviana mahantra azo ivarotana azy ireny amin’ny vidiny mirary.

Tsy misy valaka amin’izany koa ny vary zarain’ny Tim. Ho fitsinjovana ny madinika no nanaovana ny vidiny ambany dia ambany, saingy angonin’ny mpanam-bola dia amidiny lafo rehefa tonga ny fahavaratra, ilay vary rahateo toa mba tsaratsara ihany sady mitombo hoy ny mpanjifa azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS