Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Tsy hiova ny Governemanta

Tsy ilaina ny manova olona

lundi 29 septembre 2008 | Penjy R.

Tsy kilalaon-jaza ity manova olona isaky ny mihetsika ity. Noporofoin’ny filoha Ravalomanana io tamin’ny zoma alina teny Ivato. Vao manomboka ny asa ka hanova Governemanta ahoana ?

orofo iray io, fa olona mahatoky mahavita azy avokoa ireo narafiny ao anatin’ny Governemanta ireo.

Asa maro no miandry ireo mpanatanteraka, ary isan’io ireo notanisain’ny filoha nandritra ny kabariny teo anoloan’ny firenena mikambana tany New York. Ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin’ny tazo moka, izay ilàna volabe. Efa nisy ampahany azo amin’io izay mahatratra 3 miliara dolara mahery. Mbola ho avy ny manaraka hoy izy. Ny sehatry ny fanabeazana, izay nidirantsika ny fanovana ny lalana tokony hizorana. Nideran’ny firenena maro an’i Madagasikara ny toy izany, ary voalaza ihany koa ny fanatsarana ny fianan’ny mpiasam-panjakana, na ny mpiasam-bahoaka. Ny fananana rano fisotro madio, dia ao anatin’ny ezaka amin’io isika. Tsy maintsy tratra ny tanjona hoy ny filoha, ary soa ihany fa manana ny programan’asa ny MAP isika nahaizana nandresy lahatra ny vahiny. Ireo asa ireo, dia tsy andraikitra lehibe miandry ireto mpanatanteraka ireto, ka antony iray tsy hidirana amin’io fanovana Governemanta io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS