Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 09h03
 

Teny zato, kabary arivo

Finoana diso toerana

lundi 29 octobre 2007 |  1388 visites  | Penjy R.

Tsy mbola nalevina hatramin’izao ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, ilay teratany Afrikanina tatsimo nametraka ny hira reggae. Vono olona feno herisetra no azo anambarana ny nahafatesany, koa noho io dia tsy manaiky lembenana amin’ny fahotan’ny sasany ny fianakaviany sy ireo mpomba ity mpanan-kanto maneran-tany ity.

Dimy andro taorian’ny nahafatesany, dia mbola tsy nalevina ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, satria toa tsy maty amin’ireo mpankafy ny hira novoiziny ny maro eran-tany hoe maty ity olona ity. Mbola tsy misy ihany koa ny fieritreretana ny handevenana azy hatramin’izao hanoratanay izay, fa mbola ny hira reggae aloha no malaza ao amin’io firenena nihaviany sy nahafatesany io. Ny tena mampalahelo, dia ny fieritreretan’ny maro fa mbola hitsangana amin’ny maty ity lehilahy ity. Fihetsika feno fanantenana ny tahaka izao, ary sambatra izay mino, saingy hatraiza ny fetran’izany ? Firy amin’ny zava-misy eto Madagasikara no mbola hampanantenaina ny maro fa hiatsara ny fiainany manoloana ny sotro-bidy mampisaraka ny manana sy ny tsy manana ? Finoana diso toerana no mazana alentika ao an-tsain’ny maro, koa raha ny firenena tahaka atsy Afrika Atsimo aza mbola manantena ny fitsanganan’i Lucky Dube amin’ny maty, koa maika fa izay fahantrana kely io ve tsy azo resena ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS