Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Teny zato, kabary arivo

Fanabeazana sy toe-tsaina

mercredi 31 octobre 2007 |  1017 visites  | Penjy R.

Miharendrika ny soatoavina Malagasy noho ny fibosesehan’ny kolon-tsaina vahiny eto Madagasikara, ka sarotra harenina ny toe-tsain’ny tanora Malagasy manoloana izany. Tsy mahasehaka firy ny raiaman-dreny amin’ny filàn’ny tanora fa izay ilainy dia tsy maintsy hefaina, satria ny revy tsy maintsy mandeha. Miezaka ny mpanabe isan’ambaratonga manitsy làlana ny tanora, saingy vitsy izy ireo no resy lahatra. Manova ny fomba famindra ny fanjakana hanabeazana ny Malagasy kanefa firy ny Gasy taitra amin’ny toro-hevitra omeny ? Firy ny tarehi marika amin’ny olona voan’ny SIDA maneran-tany nefa toa tia handrakandrana isika ka mbola ny akanjo mampiseho foitra sy ny kisarisary ao an-damosina mampidera ny tokony hafenina no miha mahazo vahana isan’andro.Toa mihevitra fa tara isika raha tsy mahay ny fanaon’ny any ivelany ary io no mibahana eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Fanabeazana sy toe-tsaina miova ao anatin’ny fo tony no hanitsiana izay mibiloka ka izay rendrika hajoro fa ny efa marina hitazona izay tsara hananany ka ho olom-banona isika mianakavy, fa tsy faly hitanisa fahavoazana lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS