Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 10h13
 

Teny zato, kabary arivo

Atody mandresy vato

mercredi 8 août 2007 |  284 visites  | Penjy R.

Tao anatin’ny fitsofan-drano ny mpilalao Malagasy nataon’ny filohan’ny repoblika teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha omaly no nikalasian’ny filoha Ravalomanana ireo nosy mpifanandrina amintsika fa bitika raha mitaha amin’ny gasy. Toa niniana no hamaivanina mihitsy ireo nosy ireo raha ny filazana fa kely sy bitika raha mitaha amin’ny Malagasy. Tsara ny fanomezana aina ny mpilalao Malagasy toy izany, fa moa ve manao kely tsy mba mamindro isika ? 18 tapitrisa isika eto Madagasikara, nefa ireo firenena hambara ho madinika ireo, 4 tapitrisa monja ny vahoaka ao aminy raha be indrindra, moa ve azo hamaivanina tahaka izao ny momba azy ? Manao ahoana ny toe-karena ao amin’ireo firenena ireo raha mitaha ny eto amintsika, moa ve tsy resiny lavitra i Madagasikara izay hambara fa manana harena tsy hita pesipesenina raha mitaha amintsika ? Aoka tsy ho hamaivanina tahaka izany ireo mpifanandrina amin’ny tena fa sao firenena kely handresy ny goavana no hita vao ho loza. Ny azy ny mpilalao rehetra efa aman-taonany no nikarakarakana azy, ny antsika kosa izao vao omena ronono sy dobera mba hanome aina ? Koa aoka tsy handihy tsy afa-tavony, sao ireo atody hambara ho maivana indray no handresy ny vato 18 tapitrisa ka very ilay fanantenana ho any Sina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS