Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy afa-miala ny COJI

vendredi 27 juillet 2007 |  202 visites  | Penjy R.

Atomotra ny fanombohan’ny lalaon’ny nosy izay atao eto amintsika, ka na mbola tsy dia mifantoka loatra ao an-tsain’ny maro aza ny fiandrasana an’io, dia tsy azo lavina fa misy ny ezaka vita amin’ny handraisana sy hanomezana voninahitra ny firenena malagasy ataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ity COJI ity, sy ny fanjakana Malagasy. Anjarantsika mpijery sisa no manome naoty ny mpikarakara sy ny vokatra mety ho azo amin’io fotoana io. Tafapetraka ny asa mifanaraka amin’ny fandraisana ny lalaon’ny nosy. Eny ekena fa mbola misy ny kely tsy tomombana, kanefa tsy izay no atao hanamaloka ny lalao tahaka izao. Alefaso ny tsikera maro samy hafa mba ahafahana manarina ny lesoka fa tsy ho sanatria ho doka hamarina an-kady. Izay no azo ametrahantsika ity lalao ity, ka na ny fanjakana na ihany koa ny federasiona, indrindra fa ny COJI dia afaka hiaino ireo tsikera ireo, fa tsy sanatria heverina ho fanakoron-tanana ny lalao ho atao. Mandroso ny asa ary maro no mahita fa efa vonona i Madagasikara handray ny lalao, saingy manao ahoana ny momba ny mpilalao ? Sa atolaka any amin’ny Federasiona raha sanatria tsy mahomby ? Inona no andraikitry ny fanjakana eo anoloan’io ? Tsy afa-miala ihany koa ny COJI, kanefa raha ny ezaka ataon’ity sehatra manomana ny fandraisana ny lalaon’ny nosy ity, dia maha-velom-bolo, ka ny finiavan’ny mpilalao hiaro ny voninahim-pirenena sisa handrasana. Koa nahoana moa raha atao miara-manonja toy ny tamin’ny 2002 izy ity, dia mahita fahombiazana sy voninahitra ny firenena e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS