Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 09h57
 

Teny zato, kabary arivo

Miditra an-tsehatra ny faritany

vendredi 14 septembre 2007 |  198 visites  | Penjy R.

Ela nandinihana ny fiainam-pirenena ny zanak’avaratra momba izay kandida ho tohan’izy ireo eto andrenivohitra, ka tapaka ny hevitra fa hiray hina hanohana ny kandida Ramiaramanana Patrick ao anatin’ny boroborin-tany voalohany. « Lehilahy tsy miavona ary mampiray ny mpiray tanindrazana, ary hita ny asa natao, koa izay no nahatonga anay hirona hanohana ity kandida ity. Ray aman-dreninay i Ramiaramanana, ary tsy misy tanindrana sy tanavo intsony fa iray ny malagasy, koa toky no omenay fa 70% ny mponina avy any anindrana mipetraka etsy 67ha sy ny manodidina dia harotsaka ho an’ny TIM ao amin’io boroborin-tany voalohany io ». Nambara ampahibe-maso tamin’ny mpanao gazety io omaly hariva tetsy amin’ny « Galérie Kamoula » Analakely, ka mahatratra 500 ireo zanak’Avaratra no tonga tao, nahitana ny tany Antalaha, Maroantsetra, Sambava, Antsiranana voalohany sy faha-roa. Koa iza indray no mbola andeha hampisara-bazana ny samy malagasy satria samy mahalala fa tanindrazana iray, ary miara-hasandratra mba ho reharehan’ny taranaka fara-mandimby.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS