Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 08h41
 

Teny zato, kabary arivo

Masim-bava ?

jeudi 4 octobre 2007 |  1068 visites  | Penjy R.

Manandro ve sa ny toky no betsaka no toa manakaiky ny voalazan’ny vavany hatrany no miseho eto amintsika isaky ny fifidianana izao ? Io no fanontaniana tonga tao antsain’ny rehetra rehefa nahita ny vokatry ny latsa-bato natao teto. Nanambara ny kandida Ravalomanana fa 1er tour de vita, ary dia tanteraka tokoa izany. Hatao fitaratra aty Afrika ny fifidianana izay atao, ary ireny niarahana nahita ireny ny nambaran’ny mpanara-maso ny fifidianana fa dia mendrika tanteraka isika eto Madagasikara raha iny lafiny iray iny no asian-dresaka. Dia nalefa ny feo fa hahatratra 80% ny fandresen’ny ENY tamin’ny referandaoma natao ny volana avril teo, ary saika tratra ilay faminaniana satria 76% no nandresen’ny ENY. Nitohy ny hery miafina, ary mbola nanambara indray ry zareo fa ho lasany avokoa ny toerana 127 eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Firy moa izao no isan’ny toerana efa azon-dry zalahy sy zavavy ireo ? Moa tsy efa marina io isa voalaza io ve ? Ekena fa mbola tsy mbola nivoaka ny vokatra ofisialy, saingy toa masim-bava ry zareo, koa nahoana moa raha hambara fa tsy maintsy afaka amin’ny malagasy ao anatin’ny fotoana fohy ny fahantrana dia mba ho tanteraka tahaka iretsy faminaniana voalaza tetsy aloha iretsy, raha tsy hoe iny ihany angaha no miavaka amin’ny fahitana ny tsy hita maso.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS