Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 08h09
 

Teny zato, kabary arivo

Miantsy ny fanjakana

mardi 11 septembre 2007 |  164 visites  | Penjy R.

Ny herinandro teo no nihenjana tany Toliara ny Praiministra lehiben’ny Governemanta sy ny ministry ny fitsarana ary ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna, ka nandefasana mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohitra mihitsy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Toa rano nararaka an-damosin-gana anefa izany, satria vao lasa ireto tompon’andraikim-panjakana ireto, dia niseho indray ny vono olona nahafatesana vehivavy iray, ary ny vadiny dia mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny ora hanoratanay. Dia tena miantsy ny fanjakana ireto jiolahy ireto raha ny zava-nisy tany no asian-teny, indrindra fa an-katoky ny fifidianana tahaka izao no miseho matetika ny fandrobàna sy vono olona. Tsy maintsy ho tratra hoy ny PM ary izay no hirariana. Hatramin’ny oviana anefa no hialan’ny mponina amin’ny fitaintainana tahaka izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS