Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Teny zato, kabary arivo

Gasy mpanao asa soa

vendredi 24 août 2007 |  267 visites  | Penjy R.

Hifanotoafan’ireo milaza fa kandida sahady ny vahoaka isam-pokontany miakatra eny anivon’ny kaominina noho ny fifidianana izay ho avy tsy ho ela. Fandresen-dahatra ny mpifidy, ary miseho olona nahavita asa soa goavana teo anivon’ny mpiara-belona, indrindra fa kandida vonona hitondra ny feon’ny vahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena raha toa ka lany eo.

Mahamenatra ny fahitana ny fihetsiky ireo kandida misora -tena ho toa voatango eo anatrehan’ny mpifidy. Olona tsy fahita firy teo anatrehan’ny fiaraha-monina no indro milaza fa gasy mpanao asa soa hatramin’izay nitoerany teo anivon’ny mpiara-belona aminy. Midika avy hatrany io fa mila fidin’ny vahoaka izy, ka raha lany eo dia ahavita asa goavana eo amin’ny faritra misy azy. Aoka tsy ho voafitaka ny olona rehetra fa natao hanao lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena ny depiote fa tsy hanao sekoly, na làlana eny amin’ny distrika misy azy ry zalahy sy zavavy isany, koa samia mailo fa tsy ho voarebirebin’ny fanomezana tsy mahavita taona eo indray isika mianakavy ka hanenina ora vitsy aorian’ny latsa-bato.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS