Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Teny zato, kabary arivo

Tafio lamba

samedi 18 août 2007 |  352 visites  | Penjy R.

Ilaina ny fitsikerana eo amin’izay rehetra atao, indrindra moa izany raha fitsikerana ho amin’ny fanatsarana. Tontosa soa aman-tsara ny fandraisan-tsika Malagasy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-7 amin’ny ankapobeny. Tsy nitsanga-menatra ny firenena manoloana ny firenen-kafa indrindra manoloana ny firaisam-po nasehon’ny Malagasy tsy vakivolo tamin’ny fanohanana ireo mpikatroka Malagasy. Firaisankina tsy nisy toy izany, hoy ny olona.

Nandritra izay sivy andro nandraisana ity lalao ity, dia nisy ihany ireo nadilana hita, na izany anefa teo amin’ny lafiny fikarakarana na ny vokatra azo, saingy ataontsika ho toy ny anatra hanatsarana ny ho avy izy ireny fa sanatria tsy ho atao « vorona azon’adala ». Izay indrindra no hanambarana fa tsy mendrika antsika Malagasy ny manahy lamba maloto imason’ireo vahiny. Anatra lehibe ho an’ireo mpanakiana be fahatany sy ireo mpitsivalam-pandry ny firaisan-kina nasehon’ny vahoaka Malagasy nandritra ity Lalaon’ny Nosy ity.

Tsy ny Lalaon’ny Nosy ihany anefa no tokony hanehoantsika izany mitabe tsy lanin’ny mamba izany fa indrindra eo amin’ny fitadiavana fampandrosoana marina hialana amin’izao fahantrana mahazo izao.

Ho avy ity ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka hanao lalàna mifanaraka amin’ny tetik’ady iadiana amin’izany fahantrana izany, koa ilaina tokoa ny fanehoantsika miaraka indray ny firaisantsika fo. Aoka hahay haneho ireo mpifaninana amin’izany fa ny hevitra no tsy mitovy fa ny tanjona dia iray, tsy inona izany fa ny fampandrosoam-pirenena marina.

Fifanomezan-tànana no ilaina amin’izao vaninandro izao, koa enga anie ho toy ny « adin’ombalahy ny mpianakavy io fifidianana hoavy io, ka ny maharesy tsy hobiana ny resy tsy hakoraina ». « Nanonofy aho », hoy Martin Luther raha niady tamin’ny endrim-panavahana ireo mainty hoditra ny tenany tany Amerika. Maninona moa,raha azontsika atao tsara koa ny toa izany, hiverina hitoetra ny fahendrena nananan’ireo razantsika amin’ny hoe : « ny adalan’ny hafa no hihomehezana, fa ny adala an’ny tena tafiana lamba », ka hirindra araka ny ilana azy ny fiaraha-monina misy antsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS