Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 09h52
 

Malagasy

Fitaterana an-drenivohitra

Tsy hiakatra ny saran-dàlana, fa…

mercredi 9 janvier 2008 | Penjy R.

Raha nisy nikasa ny hampiakatra ny saran-dàlana ho 400 ariary ny saran’ny fitaterana eto an-drenivohitra eo amin’ny Taxibe, dia maro ireo kaoperativa no tsy nanaiky io na dia hita aza fa miaina ao anatin’ny fatiantoka ny ankamaroan’nympitatitra. Nijery ny hisian’ny vahaolana izy ireo, ka voalaza fa manomboka ny 15 janoary izao, dia tsy hisy intsony ny saran-dàlana tapa-dàlana. 200 ariary io tapa-dàlana io, izay nahavonjy olona maro, saingy io no tsy maintsy nofoanana ka 300 ariary avokoa no aloha vao miakatra ny fiara ianao.

Ireo ivelan’Antananarivo kosa dia raha 400 io amin’izao, dia hiakatra 500 atsy ho atsy. Anton’io fiakarana io dia voalaza fa raha hiazo an’Ivato ianao, dia vitsy ny mandeha tapa-dalana 300 nefa io no mba tena ahazoan’ny fiara mpitatitra iray, satria raha maro ny tapa-dàlana dia misy olona hafa miakatra indray avy eo, ka mandoa vola 300 ariary indray.

Ny fiara karetsaka indray, dia hita fa nihena ny mpandeha tamin’izy ireny nanomboka omaly, satria lasa niakatra be ny sarany alain’ny mpamily amin’ny mpandeha. Aleon’ny maro mandeha taxibe na mandeha an-tongotra, satria ny eo ampela-tanana tsy mitombo fa mihena.

Vao manomboka dia efa izao no mahazo ny rehetra, ka hanao ahoana ny hanjo ny Malagasy raha toa ka mbola hiakatra indray ity vidin’ny solika ity afaka telo volana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS