Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h21
 

Malagasy

Toamasina

Manarina ny simba ny minisitra

mercredi 13 février 2008 | Penjy R.

Tsy ho renivohitry ny toe-karena ihany ny ao Toamasina, fa eo ihany koa ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Io no fototry ny dian’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary ny Fialamboly, Patrick Ramiaramanana raha nidina tany izy ny herinandro teo. Nijery ifotony ny tontolon’ny fanatanjahantena ity minisitra ity, ka isan’ny nahe-tsika tany ny kitram-pokontany, izay niarahana tamin’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary nampiharina tany ny 3P (Fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Tsy miankina). Havaozina tanteraka koa ny lapan’ny ankizy mpisava làlana any Toamasina izay hita fa tsy nisy fikarakarakana nandritra ny taona maro.

Tsy maintsy averina hanana ny maha-izy azy ireo foto-drafitrasa momba ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.

Tsy ao Toamasina ihany fa manerana an’i Madagasikara, satria hidina any Antsiranana indray izy hijery ifotony ny asa tokony hatao any amin’ireny faritra ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS