Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Malagasy

CRTIM

Tanteraka ny zava-drehetra

samedi 2 février 2008 | Penjy R.

Manomboka maka volon-tany indray ireo mpikatroka tao amin’ny antoko TIM teo aloha izay niofo ho CRTIM ankehitriny. Tanjona iray no iraisana dia ny hanamafisana orina ity fitondran’ny filoha Ravalomanana, kanefa noho ny disadisa teo amin’ny adin’ankizy dia nisara-bazana ny mpiara-mitolona. Miha-mahazo vahana ny avy amin’ny tsy miankina nandritra ny fifidianana izay niseho, ary ireny niarahana nahita ireny ny fahakiviana teto amin’ny mpifidy. Nahatsapa izany ny birao foibe teo anivon’ny antoko TIM ka nanao antso avo amin’ireo ondry naniha, mba hiverina ao ambala. Tara loatra hoy ny CRTIM satria efa niseho imasom-bahoaka ny lamba maloto, ary zovy ny tsy nahita ny vokatry latsa-bato farany teto andrenivohitra ireny ? Ireo mpitarika ny CRTIM dia mihevitra ny hamory ny mpikambana ato ho ato, izay handinika ny fifidianana ho hatrehantsika tsy ho ela. Tanteraka ny zava-drehetra tamin’ireo tsikera nambaranay momba ny fiainam-bahoaka izay mila fiheverana, kanefa toa nokilasiana ho mpanohitra izahay, izay no ilaina fifampi-hainoana mba tsy ahatompon-trano mihono azy ireo. Na eo aza anefa ireo, dia efa nisy ireo tao anatin’ny biraon’ity fikambanana leo monina tamin’ny antoko matanjaka ity no hita ho mafana fo ao amin’ny TIM etsy Ankorondrano ankehitriny. Izay to fo hono mpamosavy, ka ho hita eo izay mbola hitana alahelo raha hifamerina ny roa tonta, satria maniry izany ny andaniny sy ny ankilany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS