Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h26
 

Malagasy

Antananarivo renivohitra

Be mpanimba ny asa

mercredi 2 avril 2008 |  764 visites  | Penjy R.

Iarivo maha-te honina. Mbola izay ve no mitoetra ankehitriny ? Andeha hidirantsika kely ny zava-nisy teto hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny fitodiana amin’ny asa mety ahatsara zavatra ny ampitso.

Raha nanjàka ny vahiny, dia nisongadina vetivety ny asa natao teto Iarivo, isan’io ireo trano mijoalajoala manemitra ny araben’ny fahaleovantena, trano izay mbola manome endrika ny renivohitra ankehitriny. Tamin’ny Repoblika voalohany no kila hotohoto ny lapan’ny tanàna tao Analakely, ary tsy mbola voaharina hatramin’izao.

Niditra ny ben’ny tanàna teo aloha, izay nanjakan’ny antoko AKFM. Nanao izay ho afany ry pasitera Andriamanjato sy ny ekipany, ary nametraka ireo trano toy ny teny Analamahitsy sy ny hafa. Tsy mbola vita kosa anefa ny lapan’ny tanàna na dia nisy aza ny fanangonam-bola natao.

Nofoanana kosa ny tsenan’Anjoma rehefa nitondra ingahy Razanamasy, ary nalamina ny tsena na dia nisy aza ny hotakotaka nandritra ny fandaminana. Nanome endrika ny tanàna ny asa rehefa vita. Teo koa ny làlana migodana mihazo an’Ampasika sy 67 ha. Niditra nitantana ny tanàna i Ravalomanana. Niezaka nanao izay ho vitany, saingy lasa ho filohan’ny Repoblika izy ka i Patrick Ramiaramanana no natao PDS. Rehefa lanim-bahoaka ho ben’ny tanàna ity farany, dia io niarahana nahita io ny fanatsaràna ny làlana teto andrenivohitra sy ny tsena teny Anosibe, ary ny famakiana ny làlana vaovao manodidina ny renivohitra. Afapo ny maro, saingy tsy hatreo ny asa heverina fa mbola ho atao. Niditra ny PDS Hery Rafalimanana rehefa notendrena ministra i Ramiaramanana. Napetraka ny zaridaina mahafinaritra. Novolena ny tsangam-bato misy rano ny manodidina, ary nohatsarainy ny sekoly sasany teto amin’ny tanana. Tsy naharitra anefa izany satria valo volana monja nandraisany ny asa, dia resy tamin’ny fifidianana ny lehilahy. Miditra ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Telo volana ny lasa, nametraka izy fa misy ny sakana atao aminy amin’ny fampandrosoana. Tsy maintsy tafapetraka anefa ny fampanantenana natao.

Ankilan’io dia ny olona sasany tsy tia-fandrosoana kosa miniha manimba ny asa vita. Firy ny ezaka nimasoan’ny mpitantanana teo hatramin’izay, saingy aiza izy ireny amin’izao fotoana. Na eo aza ny torohevitra maro apetraky ny mpitantanana ny tanàna, dia vitsy ny mankato ireny. Izay no ilaina ilay fiovan’ny toe-tsaina. Tsy hisy fandrosoana ho vanona raha mbola manjaka ny fitiavan-tena. Be ny asa natao fa mbola izao ihany i Iarivo, hoy ny mpandalo. Ny tsara ho fantatry ny maro, dia ny hetrantsika vahoaka ihany no hanaovana ireny asa ireny, koa nahoana no tsy saro-piaro amin’ny asa vita sy izay ho atomboka isika ? Ndao hifanome tànana hanarina an’ity renivohitra ity, ka avela hatreo ny resaka politika fa ny tombotsoam-bahoaka no banjinina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS