Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Malagasy

Mandroseza

Vita ireo fotodrafitr’asan’ny Jirama

mercredi 13 février 2008 | Penjy R.

Tsy nisy izay tsy nikolay momban’ny fisian’ny delestazy manerana ny faritra maro teto Madagasikara ny vahoaka. Antitra ny fitaovana nampiasaina, hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Jirama, ary fanamby no natao, fa tsy maintsy ho foana ity delestazy ity. Nanafatra fitaovana avy any ivelany ny fanjakana, ary navaozina tanteraka ny fotodrafitr’asa rehetra mba hametrahana ireto milina manome herinaratra ireto. Ny zoma ho avy izao ary no hotokanana ilay « centrale thermique » etsy Mandroseza izay manana tanjaka 40mgh. Taorian’ny nahazoana ireto fitaovana ireto, dia tsy maintsy nampiakarina 15% ny sandan’ny jiron’ny Jirama raha tiana ny hahavelona ity orinasa ity. Ny mpamatsy vola ivelany no tena nisisika tamin’io, ary nampiharina avy hatrany, mba hamenoana ny lavaka tao. Tsaroan’ny rehetra fa na ireo andrim-panjakana isan’isany aza dia nanao tsipaipaika mba hanarenana ity Jirama ity. Baiko no nomen’ny fitondrana ny hanapahana ny jiro sy rano rehetra ho an’izay tsy manefa ny sandan’ny jiro sy rano laniny, ka ireny niarahana nahita ireny ny nanjo ny teto amin’ny kaominina an-drenivohitra farany teo. Tsy ny teto ihany no nahitana toy izao fanapahan-jiro izao fa hatrany Antsiranana ihany koa. Midika io fa tsy hanavahana ny fampiharana izay nifanarahana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS