Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h53
 

Malagasy

Radio nakatona tao Toamasina

Efa naverina ve ireo fitaovana nogiazana ?

mardi 22 janvier 2008 | Penjy R.

Fanapahan-kevitra nahafaly ny maro ny namerenan’ny ministry ny filazam-baovao Bruno Andriantavison ny hisokafan’ireo radio miisa telo nakatona taona maro lasa izay tao Toamasina. Ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna no isan’ny nanakatonana ireto radio ireto, ary tsaroan’ny rehetra tsara fa isan’ny nogiazana niaraka tamin’ny fanakatoanana ireto radio ireto ireo fitaovana tao amin’ny radio sasany tany Toamasina. Ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina AJRP dia naneho ny fahavononany hanaja ny fitsipika mifehy ny haino aman-jery eto amintsika. Maniry ihany koa ny hisokafan’ilay radio iray izay nakatona any Toliary satria mpiasa maro no mivelona amin’itony radio itony. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe amin’izao fisokafan’ireto radio ireto izao moa ve naverina niaraka tamin’izany ireo fitaovana mampiodina izany radio izany izy nogiazina tamin’ny fotoan’androny, sa ahoana ? Tsara ny milaza fa nasian’ny ministry ny Filazam-baovao resaka ihany koa ny momba ny nanafoanana ny fandaharana amin’ny RDB izay namafisiny fa tsy ny radio no nakatona fa ny fandaharana, ary efa nomena fampitandremana amin’ireo olona miditra mivantana amin’ny antso an-tariby izay manohitohina ny filaminam-bahoaka kanefa mbola nahitana fihoaram-pefy ihany. Nampitandrina ireo radio rehetra mikasika ireny antson’ny mpihaino ireny ihany koa ny ministra mba ho mailo sao hisehoan’ny trangan-javatra toy ny tao amin’ity RDB ity. Nandritra ny fihaonana nataon’ny ministra Andriantavison tamin’ny mpanao gazety tany Toamasina omaly no nanazavany ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS