Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h26
 

Malagasy

Antoko Teza

Kivy ratsy amin’ny TIM

vendredi 8 février 2008 |  653 visites  | Penjy R.

« Nandalo ambaratongam-pifidianana maro ny teto Madagasikara, ary samy nahatsapa isika fa tsy nandeha amin’ny tokony ho izy ireo lamina sy ny tena fampiharana ny lalàna nataon’ny Governemanta ». Izany no nambaran’ny loholona, Rakotoamboha Jean Louis avy ao amin’ny Teza. « Maro ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany na eo anivon’ny kaominina izay mipaka hatrany amin’ny faritra ataon’ny antoko TIM », hoy izy. « Misy ny fanerena ny mpiasam-panjakana toy ny sefo Cisco sy ny Dren, ireny dia tokony ahitsy eo amin’ny lafiny ara-demokratika. Tsy ny mpanohitra ihany, fa ny ankamaroan’ny olona rehetra dia hita fa kivy ». Noho ireo dia tsy hanohana na hiaraka amin’ny antoko TIM ny Teza, tsy ny fametrahana ny rafitra miainga any amin’ny fokonolona no tsy tianay, fa ny fomba entina mandrafitra ireo fahefana no tsy mety. Fotoana fanarenana ny lesoka izao, ary mbola azo atao tsara ka aoka hieritreritra ireo mpitondra fanjakana eto Madagasikara. Tsy ao anatin’ny « mouvance » ny Teza, ary raha mahita ny rehetra tsy mba niaraka tamin’ny antokon’ny fitondrana, fa nandeha irery foana, ary ny andraikitra napetraky ny Teza dia miaro ireo fotokevi-dehibe amin’ny ara-dalàna, ary manitsy ireo lesoka. Hita anefa fa maro ny lesoka tsy azo ahitsy. Nitaky izahay ny hanafoanana ny faritany mizaka tena ary apetraka ny faritra ara-toe-karena. Miantso ny mpikambana eny ifotony ao amin’ny antokonay izahay, hoy ingahy loholona mba hijery ny tetika afahana mametraka io rafitra ara-toe-karena io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS