Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h15
 

Teny zato, kabary arivo

Iza indray no esorina ?

mardi 5 juin 2007 | Penjy R.

Tsy resy am-boninahitra fa tamin’ny fahafaham-baraka ny Barean’i Madagasikara raha nanao ny lalao miverina tany Cote d’Ivoire farany teo, satria 5 sy aotra no nisarahana. Tsy asiana resa-be hilazana hoe efa mpilalao maty hanina avokoa anie ireo nifanandrina tamintsika ka rariny raha resy isika e. Tsy vaha-olana izany satria manao dia mitetika fandresena. Koa raha manantena faharesena lava izao ve tsy aleo mipirina toy izay hanala-baraka tena lava izao ? Dia iza indray izany izao no esorina taorian’iny faharesena iny ? Ny mpanazatra vao nafarana tsy nahavita ny adidiny ve sa ny federasiona no omena tsiny ? Sa kosa ny mpilalao mihitsy no tsy maha-voa ka na atao tsara tohana aza dia ireny ny vokatra azo ?

Mampiahiahy be ihany ny handrombahana medaly volamena amin’ny lalaon’ny Nosy ho avy izao. Ahoana tokoa no hantenaina baolina tsara raha telo andro monja alohan’ny lalao mbola misy mpilalao tsy miraharaha manazatra tena toa ny namany ? Sa ilay akamakama mbola manjaka ? Ny vola hanafarana mpilalao sy ny mpanazatra tsy lazaina intsony, nefa mbola atody mavesatra no bataina, koa tsy aleo ve mikarakara ny eto an-toerana, na ny mpilalao na ihany koa ny mpanazatra. Tsy midika anefa izany fa hanakatom-baravarana isika, fa ny vokatra azo hono no hifampitsarana e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS