Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 05h22
 

Teny zato, kabary arivo

Aiza ny lohany ?

jeudi 12 juillet 2007 | Penjy R.

Ny hasin-drazana mihitsy no voatohintohina raha nahita ilay fangalarana taolam-paty sy ny razana iray manontolo tao am-pasana tany amin’iny faritry Toliara iny, ary mbola nandefasana osy mainty indray tao anatin’izany fasana izany. Toetra tsy dia fahita firy nataon’ny Malagasy tany aloha io, noho ny maha-zava-dehibe loatra izany razana izany, saingy indrisy fa mahazo vahana amin’izao taon-jato iainan-tsika izao.

Tsy tany Toliara ihany, fa manerana ny faritra maro eto Madagasikara no ahitana izany resaka fangalarana taolam-paty izany, ary tohizany amin’ny fametavetana ny Fomba malagasy mihitsy. Very hasina tanteraka ny razana manoloana ireny, saingy manantena kosa ny rehetra mba ho hita tsy ho ela ny fototr’ izao rehetra izao. Nisy ny olona tratra tany Toliara izay hiainga eo ny fahitana ny marina rehetra, saingy raha ny vaovao re dia toa minia manidy vava izy ireo. Efa maro ihany koa ny tratra toy izao, kanefa toa ny fampidirana am-ponja hatrany no heno, fa ny fahitana ny adi-doha tsy re tsaika. Aiza ny tena lohany no mbola mahazo laka tahaka izao ity asa ratsy ity ? Mazana toa tsy tazana hatrany ny mpaniraka amin’ny asan-jiolahy tahaka izao, koa ny mpanao famotorana ve no tsy mahay, sa ry zalahy sy zavavy no mafy vava tsy hiteny ny mpaniraka azy ?

Mino anefa isika fa misy farany ny ratsy atao, ka ho fongana tsy ho ela ny tahaka itony nitranga tany Toliara sy ny faritra maro teto amin’ny nosy itony.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS