Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 13h24
 

Teny zato, kabary arivo

Mitsitokotoko

vendredi 13 juillet 2007 | Penjy R.

Ny hevitra dia mitovy fa ny fanehoana izany no samy hafa. Io no hita amin’ny ataon’ny antoko Politika sy ny fikambanana maro eto amintsika raha tsy hiteny afa-tsy ny tokony hanovàna ny lalam-pifidianana, ny sehatra tsy miankina no hitantanana izany fifidianana izany. Ilaina ny famotsoran-keloka politika ary tokony hisy ny famelana ny rehetra haneho hevitra an-kalalahana, fa tsy sanatria ho gadraina izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Latsaka an-kady ny firenena ka ny 58 % ny gasy no miaina ao anatin’ny fahantrana, ary hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny faritra maro eto amintsika. Tsy taka-bidin’ny malagasy intsony ny vidim-piainana, ary olom-bitsy no mitavana ny harena eto. Saika ireo foana no ventesina, ka mahatonga ny sasany hitaky ilay fifampidinihana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra mba amahana haingana izao olana izao. Ny mahagaga anefa dia sehatra samy hafa hatrany no hanehoana ireo hevitra ireo raha tsy hiteny afa-tsy ny aty amin’ny mpanohitra isika. Tao no nilaza fa atao alohan’ny 26 Jiona teo io fihaonana eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra io, raha tsy hiteny afa-tsy ny Manaovasoa izay tarihan’ingahy dokotera Manan’Ignace isika. Ny UFN dia tsy nitsahatra naneho ny fomba fahitany ny zava-misy izay tsy nivaona tamin’iretsy voatanisa etsy ambony iretsy. Ny FFKM dia nahitana izany raha tsy hiresaka afa-tsy fifidianana isika, izay mitaky ny hanaovana bileta tokana ihany koa. Ny mpiasam-panjakana izay tsy nikely soroka nanambara fa tsy mifanentana amin’ny fiakatry ny vidim-painana ny karama, ka tsy ny fiovan’ny ora akory no vaha-olana fa ny fanondrotana izany karama izany. Ny tsy ahombiazan’ny fitakian’ireo sehatra maro be ireo angamba dia mitsitokotoko ry zareo maneho hevitra, fa raha mitambatra ho vato dia mety ho mora foana ny handresy amin’ny hevitra ijoroan’ny tena. Sa tsy misongadina raha vao mitambatra amin’ny maro ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS