Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h35
 

Teny zato, kabary arivo

Velona dia maty

lundi 9 juillet 2007 | Penjy R.

Endrika iray tsy dia nanomezan’ny vahoaka lanja ny mpanao Politika ny fivadihana palitao lava, ka toa tsy ny foto-kevitra intsony no mibaiko, fa ny ho lasa lohany eo amin’ny fitantanana. 170 mahery no voalaza fa antoko misy eto, ary dia mbola misy ihany no mipoitra amin’izao fotoana izao, ka ny eo ihany anefa no mivadibadika raha ny fijery azy. Tsy misy olom-baovao tahaka ny anaran’ny antoko vao mipoitra izy ireo, fa rehefa reradreraka ilay fikambanana nisy ny tena, dia lasa indray mivadika any amin’ny hafa, dia manakorontana kely ao, ary manangana antoko hafa indray rehefa hita fa tsy ho tafavoaka ilay nitolomana. Tsaroan’ny maro tsara ny nanangana ilay antsoina hoe « tranoben’i Madagasikara », kanefa tsy nahavita fifidianana iray akory dia nitritra, ary nikory ka zary lasa trano haolo ankehitriny.

Firy no nana-kevitra hoe maninona raha atao antoko roa no misy eto dia ny an-kavia sy ny an-kavanana ? kanefa mbola mipetraka faniriana ihany ireny hatramin’izao. Ho nofinofy ihany tokoa izany, satria izay lohany anie no tsy maintsy tompoina, ary ny rambony rambony ihany. Koa iza no hanaiky ho gisitra eo ? Firy amin’ireo antoko politika ireo no mba sahy misedra fifidianana ? Firy ihany koa no mba mpikambana ao aminy ? Tsarovy fa ny antoko natanjaka nisy vola sy nanampatra ny fahefany aza anie ka io manomboka rava io ny firaisan-kina tao aminy, ka ahiana hisy T... Fanavaozana e. Ny sasany manangana mba entina hitadiavam-bola, ary manao « merisenera » rehefa tonga ny fotoana mampivaivay ny rivotra politika eto, kanefa tsy manan-kery firy ho entina miady. Velona dia maty ny antoko eto, ka rariny tokoa angamba raha maka lesona tamin’ny lasa ny rehetra, ary indrindra ahay hanova famindra, satria ny ho tondroin’ny vahoaka molotra no tsy laitra rehefa tonga izay fahafatesan’antoko izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS