Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Malagasy

Mpanohitra sy Ravalomanana

Te-hiresaka fa matikena-maso

mercredi 19 novembre 2008 | Penjy R.

Mbola miantso ny mpanohitra hatrany ny filoha Ravalomanana omaly teny Iavoloha. Henohy ny feon’izy ireo, ary aoka mba hifantoka tanteraka any amin’ny tena fampandrosoana ny resaka. Antso izay miantefa mivantana any amin’ny mpitondra ankehitriny, ny tsy hanavahana firehena amin’ny famoahan-kevitra mandritra ny loabary an-dasy eny Iavoloha io.
Raha ny hita anefa, dia tsy nisy tonga teny amin’iny lapa io ny mpanohitra rehetra. Ny Otrikafo aza dia namaly fa tsy hanamafy ny fahefan’ny vahiny mpanjanaka izy ireo na dia nahazo fanasana aza. Ny hafa, dia toa mihevitra fa ny filoha mivantana mihitsy no tokony hitafa amin’ny mpanohitra, ary manara-maso ny ady hevitra ny FFKM sy ny fiaraha-monim-pirenena isan-karazany. Hatreto, dia tsapa fa te-hifanatona ny mpanohitra sy Ravalomanana, fa ny hena-maso imasom-bahoaka no betsaka. Voalaza fa nisy fihaonana mangina teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, saingy nangataka ny tsy hivoahan’ny resaka ny mpanohitra ? Raha tena hifantoka any amin’ny fitiavan-tanindrazana sy hampandroso ny firenena miaraka tokoa ny andaniny sy ny ankilany, inona no tsy hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, toy ity loabary an-dasy ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS