Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h07
 

Malagasy

Asan-jiolahy etsy sy eroa

Manjaka ny basy vita gasy

jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R.

Mahazo vahana indray ankehitriny ny basy vita gasy ampiasain’ireo andian-jiolahy maro eto amintsika. Porofon’io ny fahitana ireo olon-dratsy voatifitry ny mpitandro ny filaminana ahiatana itony basy vita gasy itony.
Mihorohoro ny mponina, satria ankoatry ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay ampiasain’ireo olon-dratsy, dia ity fitaovana vita gasy ity indray no eny ambalahan’ireto olon-dratsy. Maro no efa tratra, saingy mbola misy ny mampiasa izany. Tambazotra goavana noho izany no fantatra fa miray tendro amin’izy io.

Eto andrenivohitra mazana no tena ahitana azy ity. Eny amin’ny toerana be mpandalo toy ny etsy Soarano sy Ambodin’Isotry mazana no voalaza fa hanjakan’ireo jiolahy miaraka amin’ny basy vita gasy. Mino isika fa tsy hitandro hasasarana noho izany ny mpitandro ny filaminana handamina ny tanàna, ary ho fongotra hatramin’ny farany ny ati-doha miketrika itony fitaovam-piadiana mora vidy nefa mahafaty olona itony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS