Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h38
 

Malagasy

Milatsaka ny orana

Dibo-drano ny tanàna

jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R.

Io ary ilay efa nolazaina. Feno rano ny arabe sy lakan-drano maro isan-karazany. Miakatra ny loto, satria tsentsina ny tatatra. Miangona ny fako, ary maloto ny tanàna.

Efa maro ny fanairana natao, saingy toa tsy naha-taitra ny hafa. Mitohana ny fifamoivoizana. Mety hisy hilaza fa izay foana anie no teto e. Marina izany, fa tsy mba misy fandrosoana ve fa ny oimaly tsy miova ihany no hita eto ? Inona no mba fepetra noraisina manoloana ny loto ataon’ny vahoaka manentsina ny tatatra ? Toa tsy mba misy fivoarana ny eto, fa vao maika aza potika andro aman’alina. Aiza ilay fiofanana nampanaovina ny sefo fokontany teny Iavoloha no tsy hampiharina amin’ny fahaizana mitarika vahoaka hanaja ny fahadiovana ?

Tsy hifanome tsiny lava eto isika fa mila mandray andraikitra ny rehetra. Io no lalana hialana amin’ny fahavoana matetim-pitranga eto amin’ny tanana. Sa anjaran’ny ben’ny tanana io ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS