Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h36
 

Malagasy

Fizarana loka teny Iavoloha

Maika ny fanampiana ny tantsaha

samedi 29 novembre 2008 | Penjy R.

Vita omaly teny Iavoloha ny fifaninana kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary. Teny Iavoloha no nanaovana ireo lanonana roa sosona ireo, ary ny filoha Ravalomanana no nitarika izany.

Mamokatra ny tantsaha hoy ny filoha rehefa omena fitaovana, ary mipetraka tsara ny fanentanana atao amin’izy ireo. Tokony hipetraka ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miainga eny amin’ny faritra tsirairay. Ho porofointsika aty amin’ny faritry ny SADC sy COMESA ary ny COI fa i Madagasikara no voalohany aty amin’ny faritra misy azy amin’ny voka-bary.

Tsy maintsy manatanteraka ny andraikitra nimatimatesany ny ministera hoy ny filoha Ravalomanana amin’ny fananganana koperativa hanoro lalana ny tantsaha. Hentitra ny filoha amin’ny famatsiana ny tantsaha amin’ny zezika sy ny famatsiam-bola ny tantsaha. Hajoro ny orinasa madinika sy salantsalany. Tantsaha afaka manondrana ny vokatra novakariny no tanjona hoy ihany ny filoha omaly teny Iavoloha.

Tantsaha 3 no nibata ny loka omaly, ary kaominina 4 kosa no nahazo loka tamin’ny fifaninana kaominina mendrika. Nomena loka avokoa anefa ireo 43 ambiny tamin’izany fifaninanana izany. Mbola nohamafisin’ny filoha Ravalomanana tamin’ireo ben’ny tanàna tonga teny fa ho avy ny môtô lehibe omena ireto ben’ny tanàna manerana ny kaomina rehetra eto Madagasikara.
Vita omaly izany ny fanolorana ny loka ho an’ny kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary nampanaovana tamin’ity taona ity.

Momba ny resaka fanaovana politika eto Madagasikara kosa, dia tokony ho maty hanina ny mpanao politika eto. Tsy resaka fitadiavana seza no atao, fa politika ho amin’ny fampandrosoana. Tokony ho 5 ny isan’ny antoko politika eto, ary nampiomana ny mpanao politika rehetra ny filoha fa hampiantso ny mpanao politika rehetra atsy ho atsy. Hiezaka ny fanjakana amin’ny fanampiana ny antoko politika, mba ho tena maty hanina. Miandry ny andro hanatanterahina ny fikaonan-doha izany ny rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS