Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Mpanao politikan’Imerina

Inona no nivorian’izy ireo teny Antsahadinta ?

lundi 17 novembre 2008 | Penjy R.

Taitra ny Merina. Tsy ny Merina manontolo fa ireo mpanao politika eto amin’ny tanàna no tonga saina ka nanambatra ny heriny. Nahilik’izy ireo tamin’ity fikambanana ity kosa ireo mpanao politika tao amin’ny Arema teo aloha toa an-dry Harinaivo Rasamoelina sy ry Ange Andrianarisoa na dia samy avy eto afovoan-tany aza.

Zanaka ben’ny tanàna teo aloha sy zanaka pasitera efa nitana andraikitra goavana tamin’ny fitondrana teo aloha, miampy vehivahy mpandraharaha tanora nilatsaka filoham-pirenena farany teo. Ireo no isan’ny lohany tamin’izao fivoriana omaly izao. Nikaon-doha tao ihany koa mpanao politika iray izay nanana ny maha-izy azy saingy nangina kely tao anatin’ny fotoana maro. Io lehilahy io dia isan’ny nandany vola be tamin’ny fametrahana ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny toerany. Misy mpisolo vava izay fanta-bahoaka ihany koa nanampy tosika azy ireo.

Tsy nisy nipika ny resaka fa ny tsilian-tsofina re dia tsy manaiky ny hanapotehan’ny sasany ny ho avin’ny Merina izy ireo. Voalaza fa ninia nangina nandritra ny fotoana maro mba tsy hanakana ny fomba fiasan’ny mpitondra Merina izy ireo, saingy toa mivoana any amin’ny tsy tokony ho izy intsony ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Tsy nisy resaka fandrombaham-pahefana kosa anefa tao na dia izany aza fa fanambarana ny hery aloha no maika nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo. Izay mitambatra hono vato, ary izay misaraka fasika, saingy na eo aza izay fitambarana izay dia nohalavirin’izy ireo toy ny fasam-bao kosa no mitakosona tamin’ireo olon’ny amiraly Ratsiraka teo aloha. Mety hamadihan’ny sasany ny resaka ho ny amiraly ihany no ambadik’izy ireo angaha no tsy hitakosenany amin’ireo olona ireo ? Voaresaka tao ihany koa ny momba ny fanasan’ny mpitondra azy ireo amin’ilay loa-bary andasy atao eny Iavoloha manomboka rahampitso. Misy rivotra politika hafa hitsoaka indray izany eto manomboka izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS