Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h49
 

Malagasy

Loholona Moxe Ramandimbilahitra

Tsy mila fikaonandoham-pirenena

vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R.

Efa ela no niandrasana ny sata handrafitra ny antoko politika eto Madagasikara. Tonga ity ny fotoana, hiarahan’ny antoko rehetra midinika. Efa nisy ny volavola sata nataon’ny sehatra tsy miankina niaraka tamin’ny mpamatsy vola teny Maibahoaka Ivato sy tetsy amin’ny Hilton tamin’izany. Tsy hita fiafarana anefa ireny. Ankehitriny hantenaina fa mbola azo atao tsara ny miainga amin’ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’izany, satria zava-dehibe ny tapaka nandritra ireo fivoriana roa ireo.

Isan’ny voadinika tamin’izany, ny famatsiam-bola ho an’ny antoko politika. Ny anjara sehatra ho an’ny antoko rehetra amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ny fanitsiana ny lalam-pifidianana. Ampahany ireo hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra, fa ny finiavan’ny rehetra midinika no zava-dehibe. Tsy ekena kosa hoy izy ny finiavan’ny sasany hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena. Sata hifehy ny antoko politika no atao, fa tsy fikaonandoham-pirenena. Mandany andro izany hoy ihany ity loholona avy ao amin’ny TEZA ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS