Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 11h58
 

Malagasy

Mompera Remi Ralibera

Nanefa ny adidiny ny fanjakana

mardi 25 novembre 2008 | Penjy R.

Tonga niondrika teo anoloan’ny vatana mangatsiakan’i mompera Remi Ralibera ny asabotsy teo ny fitondram-panjakana. Ny Praiministra Charles Rabemananjara no nitarika azy ireo, izay samy nanamafy fa nanana ny anjara andraikitra lehibe noraisiny teto amin’ny firenena ity pretra ity.
Azo ambara fa very olo-manga ny firenena. Teny niverimberina tamin’ireo olona nitsapa alahelo teny amin’ny toerana nisy ny vatana mangatsiakany izany. Ny asa fanaovan-gazety no tena nahafantarana azy, ary mahitsy fiteny amin’izay fomba fijery tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka. Zezoita fanta-daza teo amin’ny finoana i mompera, ary anio no hanaovana veloma farany azy, ka asitrika eny amin’ny fasan’ny Zezoita etsy Ambohipanja Ilafy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS