Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h17
 

Malagasy

Fikambananan’ny TAXI eto andrenivohitra

Mitaky ny hampidinana ny solika

vendredi 28 novembre 2008 | Penjy R.

Efa tafidina hatrany amin’ny 50 doalara ny barila ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mbola tsy hita veroka ny fidinan’io eto Madagasikara. Miankina amin’io vidin-tsolika io anefa ny tsena anatiny eo amin’ny mpamily fiara karetsaka.

Hivondrona izy ireo ato ho ato, ka hitaky ny hampidinana ny vidin’ny solika hifanahatsahana amin’ny vidiny eo amin’ny tsena any ivelany. Zara raha misy mandeha taxi ny olona ankehitriny. Ny antony, dia tsy takatry ny mpanjifa ny sarany alain’ny mpamily. Tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny litatry ny solika anefa ny sarany hoy izy ireo. Ny vidin’ny piesy fanolo koa anefa etsy ankilany midangana tanteraka. Ho faty ny mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity raha izao no mitohy hoy izy ireo, satria efa lasa mandeha bus avokoa ny mpandeha taxi ankehitriny. Ny mpandeha bus kosa efa mandeha tongotra. Ny mpandeha tongotra teo aloha angamba ny mandady sisa no tsy ataony hoy ireto mpamily ireto.

Manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo ny mba hijereny akaiky izao zava-misy izao mba ahafan’ny rehetra mivelona tsara tsy ao anatin’ny fanararaotana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS