Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 18h45
 

Malagasy

Olan’ny lahy sy ny vavy

Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana

jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R.

zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan’ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin’ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko.

Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin’ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny antony, dia ny lahy hambara ho mijangajanga. Eo ihany koa ny tsy fampidirana vola ao amin’ny tokan-trano, na mamo lava. Na efa lehibe aza ny zaza, dia mitombina ilay oha-pitenena hoe« zaza fito tsy maha-fehy trano ».

Ny olona misaram-panambadiana, dia voalaza fa ny 20% ny tafasaraka ihany no lasa manambady. Ny ambiny, dia manao fiainana selibatera. Tsy manakana azy ireo tsy hitia olon-kafa kosa anefa izany. Mananika ny 32 taona no mizotra amin’ny fisaraham-panambadiana, ka tsy manambady intsony. Manana olon-tiana kosa anefa izy ireo, ka lehilahy efa manambady avokoa no mamelona azy ireny. Tia fiainana milamina ny olona eo amin’io taona io, ary mila filana ara-nofo matetika. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana, fa ankoatry ny filana ara-nofo, dia tia mandeha ho entina mankany amin’ny trano filanonana ihany koa izy ireny.
Eo no mitarika ny vehivahy hanala azy amin’ny fisotroana sy fifohana sigara. Ny sipa kely araky ny fomba fiteny koa, maro be ka mila mihetsika, sao lasan’ireny ny olona izay nitia ny tena. Telo volana ny aorian’ny fisaraham-panambadiana vao afaka misoratra amin’olon-kafa indray ny ilay mpivady. Enim-bola io teo aloha. Miha-mafy ny fiainana eto amintsika, ary maro no te-hiadana nefa tsy maharaka ny filana ny vola miditra. Tsy ho gaga isika raha be ireo mampirafy ny tokantranony. Ny lehilahy 45 taona ka hatramin’ny 60, dia vehivavy eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 45 taona no tiany. Ny mihoatra an’io kosa ny taonany, dia tovovavy 13 ka hatramin’ny 23 taona no mahafinaritra azy ireo. Ny 65% ny ankizy mihoatra ny 14 taona no voalaza fa tsy virjiny intsony. Ny lehilahy kosa dia mahatratra 85% ny mampirafy ny vadiny.

Tsy misy ohatry ny fifanajana ihany, ary ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandeferana raha te-hiadam-pinaritra ao anatin’ny fianan-tokantrano isika mianakavy. Sa raha tsy be vola tsy milamina io ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS