Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h45
 

Malagasy

Malagasy

mardi 13 novembre 2007 | Penjy R.

- Ben’ny tanànan’Iarivo : Olom-baovao izy rehetra

Tsy maro nefa tsy vitsy ihany koa ny isan’ireo kandida nila-tsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna sy ny listra mpanolon-tsaina eto Iarivo rehefa nifarana omaly ny fandrotsahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana manerana an’i Madagasikara. Enina ireo kandida ho Ben’ny tanàna izay ahitana an’i Andrianarivo Andrianasolo Jonah mitondra ny listry ny « Zaikaben’i Imerina », ny kandida Marc Ramiaranjatovo MDV, Hery Rafalimanana TIM, Andry Rajoelina TGV, Nasolo Valiavo VANF, ary ny vavitokana, Savaron Malala. Saika olom-baovao avokoa ireo ary heverina fa manana tetikady hampandrosoana ny tanàna. Roa amin’ireo ny mpanao gazety ary misy mpandraharaha sy olona efa nitondra orin’asa goavana. Ny listry ny mpanolon-tsaina kosa dia eo ny TIM, MDV, AME, SMMF, ary ny TGV.

============================

- Faritra Atsinanana : haromontana : Olona 140 no voakaikitry ny alika

Nanomboka ny volana janoary 2007 ka hatramin’izao dia nahatratra 140 no isan’ny olona voakaikitry ny alika sy saka any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy iny ka olona roa tao anatin’izay no namoy ny ainy noho ny fifindran’ny aretina haromontana avy amin’ny kaikitry ny alika na saka. Ny tarehi-marika tso-tsotra azo omena dia olona miisa 8 hatramin’ny 12 no voakaikitry ny alika nandritra ny volana janoary hatramin’ny volana Mey. Niakatra ho 15 izany tamin’ny volana jona hatramin’ny septambra, ary hatramin’ny volana oktobra teo dia miisa 28. Tsikaritra fa mampirongatra ny aretina haromontana any an-toerana ny tsy fahampian’ny fitsaboana sy ny vaksiny miaro amin’ny haromontana.

Saika ataon’ny olona voakaikitra fakàna vola ny fahavoazany ka manao raharaham-pihavanana amin’ny fanomezana vola kely, ka miitatra ny aretina ary mifindra hatrany.

Etsy andaniny moa dia nanao hetsika ny sampan-draharaha mitsabo biby any an-toerana ka nanao he-tsika fanentanana ny olona hanao vaksiny ny saka sy ny alika. Alika sy saka miisa 120 no vita vaksiny tao anatin’ny herinandro, izay nandoavana vola Ar. 8000 isaky ny va-ksiny.

Raha ny fanirian’ny vahoaka any an-toerana, na ny fitazana azy fotsiny dia tokony hanokanana hetsika toy ny sida sy tiberkilaozy ny ady amin’ity haromontana ity, izay mirongatra isan-taona any amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro.

Hery A.

============================

- Minisitra Ramiaramanana : Mitaky fiasa vaovao amin’ny federasiona

Hentitra ny ministry ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolon-tsaina ary ny Fialam-boly omaly raha nitafa tamin’ireo mpikambana ao amin’ny federasiona ny baolina kitra Malagasy ny tokony hanovana ny fomba fiasa mba hiandrandrana vokatra tsara eo amin’ity taranja iray ity. Ilaina miainga ifotony ny baolina kitra ka apetraka ny lalao isam-pokontany mipaka any amin’ny kaominina sy ny faritra manomboka izao, ary zaraina samy hanana ny andraikiny ny rehetra fa tsy hifampi-tsabaka amin’ny asan’ny hafa. Notakian’ny minisitra Ramiaramanana ny hanomezan’ny federasiona ny fandaharan’asany hatramin’ny volana Martsa 2008. Nampanantena ihany koa ny minisitra fa hitaky ny hampiasaina ny ratsa-mangaika eo anivon’ny fanjakana sy ny kaominina mba hanatsarana ny foto-drafitr’asa isan-karazana mba ahafahan’ny tanora manana sehatra afahana milalao sy manazatra tena.

Naivo kely

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS