Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 08h55
 

Malagasy

Fanondrotana karama

Maivana ny 10% hoy i Mailhol

jeudi 3 janvier 2008 | Penjy R.

Tsy mifanentana amin’ny fiakatry ny vidim-piainana ny tolotra 10% nataon’ny filoha Ravalomanana ho fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2008 ity. Inona no vitan’io raha mitaha amin’ny sondro-bidy hiainan’ny Malagasy ankehitriny ? Nitodika tamin’ny fiainan’ny Malagasy tamin’ny taona 2002 ny Pasitera Mailhol, izay nanambara fa potika ny toe-karena teo, kanefa mbola nahazo hatrany amin’ny 12% io fisondrotry ny karama io. Tafakatra 6,5% ny tahan’ny harin-karena araky ny nambaran’ny fitondrana, ary manana vola vahiny betsaka izay ambim-bava ao amin’ny banky foibe kanefa nahoana no io vola kely io monja no nanondrotana ny karaman’ny mpiasa ? Teo amin’ny resaka politika kosa dia nalahelo ity pasitera ity, ny tsy nanisian’ny filoha resaka nandritra ny kabary izay nataony. Mihevitra ve ny filoha hoy izy fa milamina ny tontolo politika eto ? Aoka ahatsapa isika fa matoa nanao ireny fanovana ireny ny vahoaka teto an-drenivohitra dia misy hafatra tiany hampitaina ao. Isan’ny nanehoany hevitra ny tokony hanovana ny lalàm-pifidianana, ny fanaovana bileta tokana, ary ny fanomezana ny fifidianana ho tantanin’ny tsy miankina ka ny fanjakana no mpanara-maso amin’io. Raha atao indray mibango ny fanazavan’i Pasitera, dia mbola miaina ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka, ka raha nilaza ny mpitondra fa miroso amin’ny fihatsarana ny fiainan’ny Malagasy, dia ny mifanohitra amin’izany no hita ka mila mandinika ny gasy tsy vaky volo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS