Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Malagasy

Vidin-tsolika

Tsy mahataitra intsony ny fiakarany

vendredi 16 novembre 2007 | Penjy R.

Tao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nijoroan’ny fikambanan’ny mpitantana mpanijara solika eo anivon’ny Galana omaly no nanambaran’ny filohany, Rakotozafy Martin, fa mampilaza dien’izao ry zareo fa miakatra andro aman’alina ny vidin’ny barila ny solika eran-tany ka hisy fiantraikany eto Madagasikara izany sondro-bidy izany. Tsy ny mpitantanana mpaninjara no mampiakatra izany fa ny rivotra mitsoka eran-tany.

Nohamafisin’izy ireo fa 25 ar isaky ny litatra no mba vola miditra ho an’ny mpitantanana, kanefa raha jerena ny olana mianjady amin’izy ireo dia tsy maharaka ny miditra ny mivoaka. Isan’io ny olana momba ny taratasin-tsolika sandoka ary nisy mihitsy ny efa nihiboka an-trano-maizina vokatr’io. Nihena kosa ny fanafihan-jiolahy tamin’ny toby Galana noho ny fiaraha-mientan’ny mpikambana eo amin’ity fikambanana ity. Miisa 57 ny tobin-tsolika Galana manerana an’i Madagasikara ary 63 ny « Gérant » nandalo tao, hiezaka ny hanatsara ny fomba fiasa sy ny fitantanana hatrany izy ireo ao anatin’ny 5 taona manaraka, araky ny nambaran’ingahy Martin Rakotozafy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS