Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Teny zato, kabary arivo

Safidy masina

mardi 11 décembre 2007 | Penjy R.

Rahampitso no hiatrika ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ny vahoaka Malagasy, ary ity no fifidianana heverina fa manakaiky ny vahoaka indrindra. Mialohan’ny andro rahampitso anefa dia manana fotoana hieritreretana tsara ny vahoaka tamin’ny fandaharan’asa naroson’ny ireo mpifaninana ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina miaraka aminy, satria ny vato iray harotsakao rahampitso no antoky ny fampandrosoana ny tanàna misy anao. Safidy masina io, ary izay no ilaina ny rehetra mba samy ho mailo manoloana ny mety hisian’ny hala-bato sy ny fandrangitana ho ataon’ny hafa. Vahoaka hendry anefa isika ka antenaina fa samy ahay hametraka ny tena lanjan’ny fitiavana ny tanindrazana, ary hanilika ny lonilony mety niseho nandritra ny fampielezan-kevitra. Vonona ny fanjakana, sy ny mpanara-maso ny fifidianana, amin’ny fanatanterahina io latsa-bato rahampitso io, ary antenaina fa toy izany koa ireo mpifanandrina rehetra koa dia mirary soa ho antsika rehetra, fa tsy sanatria hisy andian’olona mikotrika korontana mba hampandamoka io fifidianana io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS