Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h07
 

Malagasy

Jeneraly Ramakavelo

Niaiky fa nisy ny zava-bita

vendredi 28 décembre 2007 | Penjy R.

Raha nitanisa fohy ireo heverina fa nanamarika ny taona 2007 ny jeneraly Ramakavelo dia ny vidin-tsolika no tena hita nibahan-toerana tamin’izany, ary nanampy trotraka izany ny delestazy izay mbola tsy hita fiafarany hatramin’izao. Nisy zava-bita toy ny fiovan’ny endrika teto Antananarivo, ary manomboka ihany koa ny fanaovana ireo trano lehibe fandraisam-bahiny. Tokony hisy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra mba ho tena hipaka any amin’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjara amin’ny MAP izay tokony hanomboka amin’io taona 2008 io. Aoka tsy ny Karana na ny Sinoa no hanao ny asa ho an’ny tanindrazantsika fa isika ihany. Nisy ny hakanosana teo amin’ny mpanohitra, hoy ity jeneraly misotro ronono ity, ka ireny niarahana nahita ireny ny fizarazaran-kevitra teo amin’izy ireo, ary tsy vitsy ny tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana izay natao teto. Fiaraha-monina eo amin’ny fitantanam-pihariana no tokony apetraka hoy ihany izy raha tiana ny hirosoana amin’izany fitsinjaram-pahefana miainga any ifotony izany. Raha nitanisa ireo fifidianana izay natao teto kosa izy dia voalaza fa nalaina ny gasy teo amin’ny fifidianana izay nitranga teto ary porofon’io ny fahavitsian’ny mpifidy nanefa ny adidiny. Tao anatin’izany no nahatsapa fa maro ny malailay fonosana amin’ny mpanao politika, ka raha nahita olom-baovao izy dia iny nirohotra nanome ny vatony ho azy iny. Io no azo amehezana ny fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena nataon’ingahy Ramakavelo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS