Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Teny zato, kabary arivo

8 volana nampiaiky ny vahiny

vendredi 23 novembre 2007 | Penjy R.

Tsy mena-mitaha amin’ny renivohitra hafa ny eto Iarivo raha ny ezaka vita teto, ary isan’ny nampiaiky ny vahiny izay niatrika ny « Métropolis » io ezaka io, na teo amin’ny lafin’ny fahadiovana na teo amin’ny lafiny fandriampahalemanana. « Maro ny ezaka vitan’ny ben’ny tanana nodimbiasako teo ka tsy sarotra tamiko ny nitondra ny fahaizako amin’ny fitantanana, izay hisaorana betsaka ny vahoaka mpandoa hetra nahatsapa ireo ezaka ireo ka mora taminy ny nanefa ny adidiny. Diso ny filazan’ny hafa manambara fa natao tandrametaka mba handraisana ny lalaon’ny nosy ireo asa natao eto andrenivohitra ireo. Ny volana febroary aho no nandray ny toerana maha-PDS ahy, ary tany dia efa nanomboka ny asa izay hitan’ny vahoaka amin’izao, fa tsy niandrasako izany lalaon’ny nosy izany ». « Manana finoana aho », hoy ny PDS Hery Rafalimanana « fa handroso ity renivohitra ity afaka dimy taona manaraka ». Manana adidy eo amin’izany fampandrosoana izany ny vehivavy ary mila mifanome isika rehetra ao anatin’ilay 3P, ary mihaino dia manantona ny vahoaka. Eo amin’ny fitombon’ny mponina kosa dia mahatratra 20% isan-taona, ary izay no ilana ny fijerena haingana ireo filan’ny mponina eto, toy ny fandrindrana ny fitanterana sy ny lafiny ara-tsosialy rehetra. Nampahatsiahivin’ny PDS Hery Rafalimanana tamin’io fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly io, fa sekoly mahatratra valo no nasiam-panavaozana, ary maro ireo tsena vaovao vita. Toy izany koa ireo trano fivoahana sy fidiovana. Ny lalakely sy ny fanatsarana ireo zaridaina dia io tsy takona afenina io, ka ho hita eo ny mety hiantefan’ny safidin’ny maro aorian’ny 12 desambra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS