Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h49
 

Teny zato, kabary arivo

Hioso-potaka

mercredi 7 novembre 2007 | Penjy R.

Mby tonga ao an-tsain’ny betsaka ny mety ho endriky ny fampielezan-kevitra rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra tahaka izao ny eto amintsika. Fampielezan-kevitra izay ahitana ny ory sy ny manana amin’ny lafiny maro. Eo ny fampiderana fitaovana sy ny vola, ka na dia ben’ny tanàna aza no hofidiana dia tsy hilaozan’ny kandida na ny mpanohana azy tsy hampiasa Helikoptera sy ny 4x4 izany, mba handresena lahatra ny vahoaka hifidy ny kandida izay tohanany. Izao filatsahan’ny orana izao no tena ahitana ny fahorian’ny olona isam-pokontany, satria ny rano tsy maintsy hiandrona, ny loto hiparitaka ka ho be ny kandida hioso-potaka amin’ity indray mitoraka ity. Ny faritra iva no tena ahitana ireny, ka ho tsapan’ireo nisora-tena ho kandida rehefa lany izy ny amaha ny olona mianjady amin’ny mponina. Nefa firy ireo kandida nahita ny fahorian’ny vahoaka afaka nanala azy ireo tamin’ny fahavoazany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS