Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h52
 

Malagasy

Lalàm-pifidianana

Ho lasa lavenona ?

lundi 7 janvier 2008 | Penjy R.

Tsy manisy resaka ny momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara intsony ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ka ny eo amin’ny fanoherana sisa no mbola manao litania io. Lalàna iray ahafahana mampanjaka ny demokrasia eto Madagasikara anefa io fanovana io, ary na ingahy Rakotovazaha Olivier, SG ao amin’ny antoko MFM, aza tao amin’ny fahita lavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo, dia nanambara fa efa tamin’ny taona 2000 ny antoko politika maro no nitaky io, ary maro amin’ireo mpitondra ankehitriny ireo no nanao sonia izany. Ho lasa lavenona tsy fidiny izany ireny tolo-dalàna naroson’ny FFKM sy ny antoko politika ireny, satria raha hivory ny parlemanta ny volana mey izao, dia toa tsy hisy fandinihana izany ao, hoy ny mpitazana. Ka iza sisa no hihevitra fa hikitika ny hampiharana io ? Ny sosiete sivily efa nanambatra ny heriny farany teo, saingy hisy handre ve ny akon’ny hetsika nataony ? Ho hita eo ny hiafarany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS