Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h59
 

Teny zato, kabary arivo

Indray mandingana

mardi 20 novembre 2007 | Penjy R.

Nandresy ny ekipan’ny nosy kely tatsy Comores indray izany ny Barea ny sabotsy lasa teo, izay làlana nanala ny sakana ahafahana mandray anjara amin’ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny 2010. Dingana tsara izany mandresy ary tamin’ny isa mavesatra no nandavona ity nosy Comores ity, nefa tsy hijanona hatreo ny ezaka heverina fa tokony hatao. Ho fantatra tsy ho ela ireo iray tarika amin’i Madagasikara amin’io taranja baolina kitra io aty Afrika, ary azo heverina fa ho henjana no miandry antsika fa tsy sanatria heverina ho toy ny mpilalao toa ny atsy Comores avokoa izy ireo. Tsy sanatria manamaivana ireo mpilalao ao amin’io nosy io isika fa mila mafimafy hatrany ny fanomanan-tena ataon’ny mpilalao Malagasy, ary araho tambiny ara-bola sy fitaovana izy ireo mba hanome hery ireo tanora ireo satria olona mamelona vady aman-janaka ny ankamaroan’ireo ankizy ireo. Enga anie mba tsy ho hita intsony ny tandrametaka toy ny teo aloha, ka herinandro alohan’ny tsy hanombohan’ny lalao iraisam-pirenena dia mbola misy mpilalao tsy miara-manazatra tena amin’ny namany ihany, ka tsy mahagaga raha resy lava isika, ka tondroin’ny olona molotra hoe indray mandingana tamin’ny Comores no mba vita dia hatreo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS