Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 21h34
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy mandaitra

lundi 10 décembre 2007 | Penjy R.

Hiatrika fifidianana indray isika vahoaka Malagasy ny alarobia izao, izay fifidianana heverina fa manakaiky indrindra ny vahoaka, ary ho azo antoka fa ho maro ny mponina no hanefa ny adidiny.

Ahiahy anefa no mameno ny sain’ireo kandida sy ny mpanaradia azy noho ny mety hisian’ny hala-bato amin’ny endriny samy hafa, izay miainga amin’ny fividianana ny vaton’ny mpifidy, ny fitaomana olona avy amin’ny faritra samy hafa handatsa-bato ho an’ny kandida iray sy ny fanomezana ordonasy maro, mba ahafahana miverimberina ho an’olona iray mifidy. Tsy eto Madagasikara ihany no ahitana endrin-javatra tahaka izao fa saiky manerana ny firenena maro, ka izay no nandraisana fepetra toy ny fanaovana vata mangarahara sy ny fampiasana ranomainty tsy maty vonoina hapetraka amin’ny fanondron’ny ratsan-tanana. Mampiasa ireo isika, kanefa raha ny hita dia tsy mandaitra eto ireo matoa mbola miseho hatrany ny fandrenesana olona iray afaka mifidy amin’ny toerana maro. Na ilay vata tantera-pahazavana aza toa tsy miteny satria rehefa te-hivadika ny isam-bato dia mivadika.

Maniry ny hanaovana ny bileta tokana isika eto Madagasikara, moa raha hampiharina eto ve ireny ho foana ny hala-bato ? Ny tsy azo lavina aloha dia izay kandida rehetra tsy tafita amin’ny fifidianana toy ny izay ho atao afaka andro vitsy, dia tsy maintsy mitaraina foana ny nisian’io hala-bato io, koa ny fanafody tsara indrindra dia ny hoe samia mailo fa ny ratsy tsy kely làlana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS